Ny fifandraisan’ny zavamananaina izay miendrika fifanoherana na fifanandrinana atao hoe “agonism” dia mitana anjara toerana amin'ny fahazahoana ireo singa fototra ilaina (toy ny sakafo na vady) ho an’ny fahavelomana sy ny ny fananahana amin'ny gidro. Ny fitarihan'ny gidro vavy ny vondrona misy sy ny fiovaovan’ny rafitry ny vondrona, antsoina hoe “fission-fusion” (izany hoe, miovaova ny haben'ny zana-bondrona sy ny firafiny), dia anisan’ny paikady ampiasain’ny gidro hiatrehana ny fiovaovan'ny vanim-potoana famokarana. Nanadihady izahay tamin’ity fikarohana ity raha misy fiantraikany amin'ny tahan'ny “agonism” amin'ny varijatsy (Varecia variegata) ny fiovaovan’ny vanim-potoan’ny fananahana sy ny fisian'ny sakafo. Gidro manana rafi-bondrona “fission-fusion” tarihan’ny vavy ny Varecia variegata, ary manana vanim-potoana manokana iarahan’ny vondrona miteraka saingy tsy miteraka isan-taona foana. Nanangona tahirin-kevitra mahakasika ny fomba fianan'ny zana-bondrona V. variegata tamin'ny toerana roa izahay nanditra ny efa-taona, izay nahitana vanim-potoana maromaro firaisan'ny lahy sy vavy sy fahaterahana. Nanombatombana ny habetsaky ny voankazo sy ny voninkazo izahay tamin'ny alalan'ny fanadihadiana ny fivoaran’ny famokarana voa sy vony isaky ny tapa-bolana. Ny fikarohana nataonay dia mampiseho fa misy fiantraikany lehibe amin'ny “agonism” ny vanim-potoanan'ny fiterahana; ka ambony kokoa ny tahan'ny agonism nandritra ny vanim-potoanan'ny firaisan'ny lahy sy vavy (mifanohitra amin'ny vanim- potoanan'ny tsy firaisany sy ny fahaterahana), indrindra amin'ny taona nahitana ny firaisana sy ny fahaterahana. Ny haben’ny zana-bondrona ihany koa dia nisy fiantraikany lehibe tamin’ny tahan’ny “agonism”, satria ny zana-bondrona lehibe kokoa dia nampiseho tahan’ny “agonism” ambony kokoa manerana ny vondrona raha oharina amin’ireo zana-bondrona madinika. Hita ihany koa fa tsy nisy fiantraikany tamin'ny tahan'ny “agonism” ny fisian'ny voankazo sy voninkazo nandritra ity fikarohana ity. Midika izany fa mety misy antony hafa mety manalefaka ny toetoetra maneho "agonism" amin'ny V. variegata, toy ny firafitra “fission-fusion”. Ho fehiny, ireo voka- pikarohana ireo dia manohana ny fiheverana fa paikady ampiasain'ny V. variegata amin'ny fizotry ny fananahany ny “agonism” mba ahafahan'ny vavy misafidy ny lahy hiaraka aminy sy ny lahy hahazo fahafahana miaraka amin'ny vavy.
Chen et al. (Fri,) studied this question.